<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>He! Tazana ao an-danitra FFPM677</title>
<lyrics>[V1]
 He ! tazana ao an-danitra
 Vahoaka finaritra
 Mitafy fotsy, ravo fo,
 Ka mirana avokoa.
 Ny vazantany efitra
 No nielezan-kafatra,
 Dia tonga izao
 Ny ory tao,
 Ka afaka entana.
 Ny ran'ilay Mpamonjiny
 Nahafotsy ny ankanjony ;
 Koa dia ireo
 Manandra-peo
 Am-pifaliana.

[V2]
 Ho an'Andriamanitra
 An-tsezam-boninahitra
 Ny famonjena anie !
 Hobin'ny marobe,
 Ilay Zanakondry avotra
 No nanafahan-tahotra
 Izay voaray
 Ho zana-dRay
 Hobio mandrakizay !
 Ka saotra voninahitra
 Ho an'Andriamanitra,
 O, mba derao,
 Ankalazao,
 Haleloia ! Amena !</lyrics>
<hymn_number>677</hymn_number>
</song>